Fankalazana mitambatra ny andro iraisam-pirenena ho fiarovana ny ala honko sy ny andro iraisam-pirenena ho an’ny mpisafo ala tao Melaky
03 Aogositra, 08h30. Tao amin’ny Kaominin’i Sahoany, Distrika Antsalova no nanamarihana ireo andro iraisam-pirenena ireo ny asabotsy 31 jolay teo. Fanentanana no natao tamin’izany izay nandraisan’ny mpanakanto Badanne Koko anjara ary nisy koa fambolena honko tao amin’ny toeram-pambolena Benoabo. Velarantany 6 ha no novolena honko avy amin’ny VOI Fibetsi Benjavilo, Soatiry Kelilaly, Tanjona Soahany ary Mirangasoa Manombo ireto novolena ireto. Nisy fampahatsiahivana mahakasika ny lalàna mifehy ny ala sy ny andraikitra sahanin’ireo polisin’ala ary notolorana fanamiana izy ireo.
