Ravan’ny zandary ny tambajotra iray lehibe tao Alasora
25 Oktobra, 11h03. Lehilahy miisa 5 mpivarotra rongony no sarona tao Alasora ny 24 oktobra lasa teo rehefa nanaovana velam-pandrika ka tratra niaraka tamin’ireo entam-barotra. Nogiazana avokoa ireo rongony sy héroïne tratra ireo, torak’izay koa Ilay fiara nampiasaina tamin’io ary nampidirina ambalan-tsazy.
