Ambohitrarahaba : Holalovan’ny JiraMobile
Handalo ao Ambohitrarahaba sy ny manodidina indray ny JiraMobile amin’ny 30 sy 31 may 2022, amin’ny 08 ora maraina hatramin’ny 04 ora hariva. Betsaka ny tolotra ho hita mandritra izany, manodidina ny fanjifana ny jiro sy rano ao amin’ny orinasa Jirama.
« Ho hitantsika mandritra io ny fomba fampidirana jiro sy rano. Mamoaka ireo tombam-bidy raha efa vonona izany. Mbola maro ny tolotra fa tongava miresaka sy mitafatafa » hoy ny avy ao amin’ny Jirama. « Ilaina tokoa ny mahalala zavatra mva hisorohana ny fifanomezan-tsiny. Fotoana ny toy izao hiresahana ny tompon’andraikitra mikasika ny jiro izay mampimenomenona antsika » hoy i Holy, mponina ao Ambohitrarahaba.
Marihina fa eny amin’ny EPP Ambohitrarahaba no hanatanterahana ity hetsika ity. Hovaliana amin’io avokoa ireo filan-kevitra isan-karazany avy amintsika vahoaka.
Toky Randriamanalison
