SocialTsidika

Masindray : Mitohy ny fanazaran-tenan’ireo mpilalao latsaky ny 20 taona  

Mitohy isaky ny zoma ny fanazaran-tenan’ireo mpilalao baolina kitra ao Masindray. Misy mantsy ny lalao baolina kitra ho an’ireo latsaky ny 20 taona sy mahery ny 17 taona

« Misy foana ny lalao eto amin’ny kianja Masindray. Ireo mpilalao baolina teraka ny taona 2000 hatramin’ny 2004 no voakasik’izany » hoy ny avy ao amin’ny Academy Buffalo. « Tsara raha omena sehatra foana ny ankizy ao anatin’ny tontolon’ny fanatanjahantena. Ao anatin’ny taona tia manandrakandrana mantsy ireo tanora ireo amin’izao ka tsara raha tokorana ny lalana tsara » hoy i Fenitra, mpanabe.

Tsy vitsy tokoa ireo tanora tia baolina kitra ao Masindray. Efa nisy mihitsy aza ireo sangany ka lasa lavitra amin’izany. 

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire