ActualitésTsidika

Talata Volonondry : Nahazo fitaovana hanamboaran-dalana

Notoloran’ny faritra Analamanga fitaovana hanamboaran-dalana ny kaominina Talata Volonondry. Lalana mampitohy an’i Talata Volonondry amin’ny Kaominina hafa ity atao ity.

« Fitaovana niveleuse sy compacteur no notolotra. Tombontsoa ho an’ny vahoaka hatrany no katsahintsika mba hisian’ny fampandrosoana eto amin’ny Faritra » hoy ny Governoran’Analamanga, Rasoamaromaka Hery. « Maneho fisaorana ho an’ireo izay nanampy rehetra izahay. Tsy vitsy ireo nalala-tanana nanampy tamin’ny fahatontosana ny asa » hoy ny ben’ny tanàna Talata Volonondry, Randrianirina Hobiherisaona.

Manana anjara toerana lehibe eo amin’ny fifandraisana tokoa ny lalana. Ny lalana tsara no antoka hanapariahana ireo vokatra ao an-toerana. 

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire