Ambohimanambola : Hisy ny fanentanana momba ny fahadiovana
Hisy hetsika fanentanana momba ny fahadiovana any Ambohimanambola ny 22 aprily ho avy izao. Eo amin’ny tobim-piantsonana Ambohimanambola no hanatanterahana izany.
« Hisy fanentanana isan-karazany amin’io fotoana io izay manomboka amin’ny 9 ora maraina. Hisy ny fanontaniana mikasika ny fako sy ny fanodinana fako. Hahafinaritra ny fiarahana ka tongava maro » hoy i Rado Romeo, mpanentana ny hetsika. « Ao anatin’ny hetsika fanentanana ny servisy fanadiovana misahana ny fitantanana ny fako ihany koa io andro io. Tanàna madio no tanjontsika » hoy ny avy ao amin’ny kaominina Ambohiamanambola. Tsy misy vidim-pidirana mandritra io tontolo andro io.
Raha tsy misy tokoa ny fahalalana dia tsy misy ny fandrosoana. Tsara ny mampitombo fahaizana mikasika ny fahadiovana mba hahadiovan’ny tanàna.
Nicole Rafalimananjara
