ActualitésTsidika

Ankadikely Ilafy : Hita ireo koriaran-droa very

Betsaka ny fitarainana tato ho ato mikasika ny kodiaran-droa very. Nanao ny asany ny Polisy any an-toerana ary tratra ireo mpangalatra efa-dahy.

« Tamin’ny zoma lasa teo ny zaodahiko no nisy nanakana. Lasan’ny mpanakana tany ny moto rehefa avy nidaroka izy ireo. Napetraka ny fitoriana ary tratra ireo olon-dratsy » hoy i Ikoriantsoa, mponina ao Ankaidkely Ilafy. « Betsaka ny moto hita tato main’ireto olon-dratsy ireto. Nisy ny efa nalain’ny tompony, izay voamarina tsara. Iangaviana kosa ireo very moto tety amin’ny manodidina mba hanantona ny Polisy ety Sabotsy Namehana » hoy ny Polisy any an-toerana.

Nampiakarina fitsarana ny raharaha. Mbola andrasana ny valin’ny fitsarana. Tsara raha fongorina mihitsy ny ratsy mba hisian’ny filaminana. 

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire