Ankadikely Ilafy : Hikatona ny biran’ny kaominina manomboka ny 27 Oktobra ka hatramin’ny 01 Novambra 2022
Hikatona ny biran’ny kaominina Ankadikely Ilafy manomboka ny Alakamisy 27 oktobra ka hatramin’ny talata 01 Novambra 2022. Hanatanteraka fisindana ireo mpiasa ao anatin’ny kaominina mandritra izany, araka ny voalaza. Hiverina hisokatra kosa ny birao manomboka ny 02 Novambra 2022.
« Hanatanteraka fisindàna ireo mpiasa eto anivon’ny kaominina Ankadikely-Ilafy, izay atao mandritra ny dimy andro izany. Na dia izany aza anefa, ireo sampan-draharaha misahana ny fanadiovana sy fandriampahalemana ary ny fanomezan-dalana handevina dia mitohy tsy tapaka hatrany ny asany » hoy ny avy ao amin’ny kaominina.
« Ao anatin’ny zo tokony hananan’ny olom-pirenena tsirairay avy no miato ao anatin’ny asa sahany. Ilaina izany ahafahana mandinika sy maka bahana hahafahana mibanjina ny ho avy sy manao jery todika ny zava-bita, indrindra raha amin’ny resaka fitantanana” hoy I Rafidy, mpahay fiaraha-monina.
Ao anatin’ny fandaminana ny rafim-pitantanana avokoa ny fanaovana ny fisindana ho an’ireo tompon’andraikitra isan-tsokajiny. Tsy tokony hatao ambanin-javatra anefa ny famahana ireo olana samihafa eny anivon’ny fiaraha-monina, hiainan’ny mponina andavanandro mba hialana amin’ny korontana sy ny fimenomenomana isan-karazany.
Manitra Ramanantsoa
