Jirama : Hiato mandritra ny 4 andro ny famokarana herin’aratra
Hiato mandritry ny 4 andro ny famokarana herin’aratra avy amin’ny tobim-pamokarana Andekalekaleka. Hanomboka ny zoma 14 oktobra amin’ny 10 ora alina araka izany ny fahatapahana ary tsy hiverina amin’ny laoniny raha tsy ny talata faha-19 oktobra amin’ny 5ora maraina. Araka ny voalaza, tsy maintsy hisy ny fahatapahan-jiro mifandimby amin’ny tambazotra iraisan’Antananarivo noho ny fametrahana ny vondrom-pihary herin’aratra fahaefatra izay hampakatra ny tanjaky ny herin’aratra azo hatramin’ny 120MW.
« Efa andalam-pahavitana ny fametrahana ilay milina fahaefatra ao Andekaleka. Hisy noho izany ny fiatoan’ny toby famokarana herin’aratra ao Andekaleka. Izany dia mba hahafahana mametraka ireo fitaovana fanakan-drano amin’ny vondrona mpihary herin’aratra fahaefatra (vanne sphérique). Tsara marihana fa rehefa misy ny tsy fahatomombanana amin’ny famatsiana herin’aratra dia misy fiantraikany amin’ny famatsiana rano izany » hoy ny avy eo amin’ny jirama.
« Hanatsara ny tolotra amin’ny famatsiana herin’aratra ataon’ny orinasa jirama izany fampitomboana ny vokatra herin’aratra izany. Hihena miandalana arak’izany ny fahatapahan-jiro mifandimby noho ny tsy fahampian’ny vokatra herin’aratra » hoy hatrany ny jirama.
Efa tafiditra anatin’ny vanim-potoana main-tany isika amin’izao fotoana izao. Efa maro ireo olona ankehitriny no mitaraina amin’ny tsy fahazoana rano sy ny fahatapahan-jiro matetika. Tokony hiomana amin’izany olan’ny rano sy ny jiro araka izany ny tsirairay hisorohana ny tsy ampoizina isan-karazany.
Manitra Ramanantsoa
