SocialTatitra

Ghana : Miantoka ny fiainan’ny maro ny fivarotana henan’alika

Maro amin’ireo mponina ao Ghana no miaina amin’ny fivarotana henan’alika. Anjatony maro ireo alika vonoina entina hamaliana ny tinadin’ireo mpanjifa. Toy ny any Chine, miha miroborobo ny fanjifana izany ao Ghana. Efa mahafantatra ny fomba fihinan’ireo mpanjifa eo aminy ireo mpivarotra sasantsasany ao an-toerana. Tsara kokoa hoy ireo mpivarotra raha ho anina miaraka amin’ny zava-pisotro ny henan’alika. Toy izany ihany koa ny tsy ampiasaina hanitra (épices) betsaka loatra rehefa hikarakara azy. Sokajiana ho fampijaliana biby ny fihinanana henan’alika na dia efa ahitana izany aza n y firenena sasany amin’izao fotoana. Ny alika izay sokajiana ho biby mpiaro ny olombelona no misaina tahaka ny olombelona hoy ireo mpampiasa ny tambazotran-tserasera, tohina manoloana ny zava-misy. Maneho ny ahiahiny ihany koa anefa ny governemanta ao Ghana manoloana ny fahatongavan’ny fivarotana henan’alika ao an-toerana, indrindra amin’izao vanimpotoana mampirongatra ny valanaretina izao. Nambaran’izy ireo fa mahalana ny fanaovam-baksiny ny alika ao an-toerana.

Laisser un commentaire