Mila vahaolana maharitra ny mpianatra mba tsy hiverimberenan’ny fihetsiketsehana.
Tsy misy fitsaharany hatramin’izao ny fihetsiketsihana etsy sy eroa ataon’ny mpianatra eny amin’ny anjerimanontolo. Na misy aza ny vahaolana madinika efa hitan’ny tompon’andraikitra, tsy mamaly ny fitakian’ny mpitokona izany. Mitady zavatra mahafa-po azy,avy amin’ny fitondram-panjakàna ny mpianatra. Manintona ny sain’ny maro anefa ny fanontaniana hoe : mankaiza izany ny vatsimpianaran’ny mpianatra izay anisan’ny mahatonga azy ireo hitroatra ? Misy ihany koa ve ny tompon’andraikitra manara-maso akaiky izao raharaha izao ? Toa tsy ahitam-bahaolana maharitra mantsy hatreto ny fihetsiketsehana miverimberina hataon’ny mpianatra. Toy ity niseho ny talata alina tetsy vontovorona ity. Tsy vitan’izany ihany fa lasa voatohitohina ihany koa ny fiainana an-davan’andron’ny mponina eny an-toerana. Ahiana ny fikorontanana mahery vaika raha toa ka mitohy ny tahaka izao. Ny mpianatra ihany koa etsy ankilany tsy mitsahatra ny manimba zavatr’olona vokatry ny fihetsiketsehana hataony. Mitaraina vokatr’izany ireo mpivarotra eny amin’iny toerana iny satria efa ho lava ny fihetsiketsehana hataony. Tsy ny mpivarotra ihany fa ny mponina eny amin’ny manodidina mihitsy no manao antso avo amin’ny fanjakana sy ny minisitera mpiahy mba hijery vahaolana haingana sy hamaha ny fitakian’ny mpianatra. Entina hisorohana ny fahasahiranann’ny mponina nohon’ny zava-misy eny an-toerana izay saika ho isan’andro no antony hanaovana izany antso avo izany.Tsy misy afa-tsy ny firesahana amin’ny solotenan’ny mpianatra hikatsahambahaolana maharitra ihany anefa no hantenaina fa hamaha tanteraka izao krizy misy izao. Mitaky fahatoniana avy amin’ny mpianatra ihany koa anefa etsy ankilany mba hitsinjovana ny mpiara-monina.
Fanilo Rarivoarilala
