Alasora : Mandroso tsara ny fanamboaran-dalana
Mandroso tsara ny asa fanamboaran-dalana ao amin’ny fokontany Amboaroy, Kaominina Alasora. Miroso amin’ny fanamboarana ireo lalana mampitaraina ny maro ny kaominina amin’izao.
« Efa betsaka ireo lalana vita. Mitohy hatrany ny fanamboarana. Tsara raha saro-piaro sy mahay miaro ny fananana iombonana tahaka izao ny mponina » hoy ny avy ao amin’ny kaominina Alasora. « Tsara mihitsy ny fanamboaran-dalana dieny izao. Ho avy mantsy ny fahavaratra dia hanahirana ny handeha eto raha tsy misy ny fanamboarana » hoy i Njato, mponina ao Alasora.
Saika miroso amin’ny fanamboaran-dalana toy izao avokoa ny kaominina eto Avaradrano. Manohana ara-pitaovana ihany koa ny avy ao amin’ny Faritra Analamanga.
Nicole Rafalimananjara
