Afghanistan : Mpiasan’ny ministera efatra maty tany Kabul.
Mpiasan’ny ministera ao Afghanistan efatra no maty novonoin’ny olona mitam-basy, ny talata 09 febroary teo, tao Kabul. Olona iray hafa ihany koa no naratra vokatry ny fanafihana fiarana minisitra tao an-toerana, araka ny loharanom-baovao avy amin’ny polisy. Nisy olona nitam-piadiana nitifitra mpiasan’ny ministeran’ny fanarenana sy ny fampadrosoana ny any ambanivohitra andeha hiasa amin’ny faritany mifanila aminy, hoy ny mpitondra tenin’ny polisy ao Kabul, Ferdaws Faramarz tamin’ny mpanao gazety. Tamin’izany no nahafaty ireo mpiasan’ny ministera efatra. Iharan’ny fanafihana, saika ho isanandro ao Kabul, nandritra ny volana maro izao. Mpanao gazety, olo-malaza, mpiaro ny zon’olombelona ary mpitsara, ireo no tena lasibatry ny fanafihana ataon’ny mpampihorohoro talibans any an-toerana. Mandrisika ireo mpikambana ao amin’ny fiaraha-monim-pirenena hiafina na hanao sesitany ny tenany io toe-draharaha io. Efa nanadrana nanao antso avo ho fampitsaharana ny ady I Kabul, saingy mbola nolavin’ireo talibans foana izany fangatahana izany hatramin’izao.
