Etats-Unis : Trondro maty an-tapitrisany no mitoby ao amoron-dranomasin’i Texas
Nanomboka ny zoma teo no niangona tao amoron-dranomasin’i Quintana ao Texas ireo trondro sy hazan-drano maty an-tapitrisany. Raha ny fanazavana dia ny fiakaran’ny hafanana tafahoatra tao anatin’ny herinandro vitsivitsy izao no nahatonga ny tranga. Manoloana izany dia mahery ny 21° ny hafanan’ny rano ka mampanano sarotra ny fahazoan’ny trondro indrindra ny « menhadens » ny « oxygène » raha ny fanazavana.
Ireo mponina sy « surfeur » manodidina ny toerana dia nilaza fa tsy mitsaha-mitombo ny isan’ireo hazan-drano mitoby ao amoron-dranomasina ireo. Rehefa natao kosa ny fanadihadiana akaiky dia fantatra fa « menhadens » no betsaka tamin’ireo trondro hita saingy nahitana « raies » sy biby an-dranomasina lehibe ihany koa tamin’ireo hazan-drano ireo.
