ActualitésTatitra

Nigeria : Sambo iray no rendrika tao amin’ny reniranon’i Niger

Sambo iray nitondra fianakaviana avy namonjy lanonam-panambadiana tao Niger, ao andrefan’i Nigeria no rendrika tao amin’ny reniranon’i Niger. Avy hatrany dia nadray andraikitra ireo polisy sy ny biraon’ny governemantam-panjakana tao Kwara. Rehefa natao ny fikarohana dia olona 103 isa no hita faty hatreto raha ny tatitry ny mpitondra tenin’ny polisy tao an-toerana, Okasanmi Ajayi. Nilaza ity farany fa olona mahery ny 100 ihany koa no efa avotra.

Tranga mameti-piseo ny faharendrehana sambo ao amin’ny reniranon’i Niger. Tsy nanome fanazavana manoloana ny antony naharendrika ity sambo ity kosa ireo tompon’andraikitra. Raha ny petra-kevitra dia mety ny vesatra (embarcations surchargées), ny tsy fikojakojana ny sambo na ny tsy fanarahana ny fitsipi-piarovana no niteraka io loza io. Marihana fa mbola maro ireo olona tsy hita ary manohy ny fikarohana ireo manam-pahefana.

Laisser un commentaire