ActualitésTatitra

Espagne : Nisokatra ny fitsarana momba ny raharaha herisetra ara-nofo nandritra ny fanodinana ny fandaharana « Big Brother »

Nisokatra ny herinandro lasa teo tao Madrid ny fitsarana ilay raharaha momba ny herisetra ara-nofo nandritra ny fanodinana ny fandaharana « téléréalité » « Gran Hermano ». Raha tsiahivina dia tokony natomboka ny volana  febroary teo io fitsarana io saingy nohon’ny tsy fahatombonana ara-tsain’ilay niaram-boina, Carlota Prado dia voatery nahemotra izany.

Mandray anjara tamin’io fandaharana io no avokoa na i Carlota Prado na ilay lehilahy nanatontosa ny herisetra José María López. Niseho teo alohan’ireo mpaka sary ny tranga rehefa mamomamo ilay vehivavy saingy tsy nandray feptetra izy ireo. Voaheloka higadra 2 taona sy tapany kosa ilay nanao ny herisetra ary mandoa onitra 6.000 euros. Voasazy mandoa io vola io ihany koa ny tranom-pamokarana ilay « téléréalité « .

Laisser un commentaire