Alasora: Hisy ny fizarana solom-bodiakoho ho an’ny zokiolona
Hisy ny hetsika fizarana solombodiakoho ho an’ireo zokiolona feno 70 taona no mihoatra ataon’ny kaominina Alasora amin’izao fankalazana ny fetin’ny asaramanitra izao. Hetsika efa fanao isan-taona izany, araka ny voalaza ary misy ny fisoratana anarana mialoha mila atao eny amin’ny fokontany.
“Ny alarobia 21 jona 2023 izao no fotoana hanatanterahana ny fizarana ny solombodiakoho ho an’ireo zokiolona ato anatin’ny kaominina Alasora. Eny amin’ny kianja maitso Alasora sy eny amin’ny Espace Yandi By-pass moa no hanatanterahana izany” hoy ireo tomponandraikitra avy amin’ny kaominina.
“Ao anatin’ny hetsika fankalazana ny asaramanitra eto amin’ny kaominina moa dia misy ihany koa ny fanaovana didim-poitra faobe, ny fizarana sakafo ho an’ny mpianatra hanala fanadinana, ny fizarana panier garnie, ny rindran-kira ara-pilazantsara, ny hira gasy ary ny fetin’ny mozika arahana arendrina” hoy hatrany ny fanazavana.
Ao anatin’ny fandaminana amin’ny fanatanterahana izany moa, dia efa azo alaina eny amin’ny fokontany ny tapakila (ticket) ho an’ireo zokiolona nanoratra anarana sy misitraka izany. Ny karapanondro kosa no entina amin’ny fotoana hakana ny solombodiakoho.
Manitra R.
