Etats-Unis : Voaheloka am-ponja 5 volana ilay mpilalao horonantsary Jussie Smollett
Nisandoka ho niharan’ny fanavakavaham-bolon-koditra sy fanavakavahan’ny fiarahan’ny mitovy fananahana i Jussie Smollett, nilalao tao amin’ilay horonantsary « Empire ». Efa tamin’ny janoary 2019 io tranga io saingy ny herinandro lasa teo vao fantatra tao amin’ny fitsaran’i Chicago ny saziny.39 taona i Jussie Smollett, américain mainty hoditra izy ary miaraka amin’ny olona mitovy fananahana aminy. Ny volana desambra teo izy no voaheloka nisandoka nihran’ny fanavakavahana, izy ihany no nanarama mpirahalahy teratany Nigérien roa 3 500 dollars mba hanao sarin’ady azy.« Tsy lasibatra ianao ao anatin’ny tantara fa olona nisarintsary voa fotsiny ary mahamenatra izany » hoyi James Linn, mpitsara nisahana ny raharaha. Nanamafy io mpitsara io fa nitady fisarihan’olona fotsiny i Jussie Smollett ary nitady hevitra nampiakarana ny lazany. Manoloana izany dia higadra 150 andro izy, izay nanomboka ny alakamisy teo ary hizaka « liberté surveillée » 30 volana sy fandoavana lamandy 120.106 dollars
