ActualitésTsidika

Vato tsy ara-dalana :Vatosoa 55 taonina no tratra

Vatosoa karazany 47, manodidina ny 55 taonina no saron’ny Polisin’ny Harena an-kiibon’ny tany teto an-drenivohitra. Mpandraharaha momba ny vato no nahatratrarana izany. « Tsy tomombana ny antotan-taratasy manaporofo ny maha-ara-dalàna ny fitazonana ireo vato maro be ireo. 47 karazana ary amin’ny endriny samihafa ireto vato tratra ireto. Mbola eo am-panombanana ny vidiny ny tompon’andraikitra » hoy any avy ao amin’ny Ministeran’ny Harena an-kibon’ny tany sy ny Loharanon-karena Stratejika. « Olona miisa roa no voasambotra tamin’ity raharaha ity, ary efa mandeha ny famotorana. Manoloana ny fandikan-dalàna izay mitranga dia nogiazana ireo vato ireo, eo am-piandrasana izay ho tohin’ny raharaha araka izay takian’ny lalàna » hoy ny Minisitry ny Harena an-kibon’ny tany sy ny Loharanonkarena stratejika, Rakotomalala Herindrainy Olivier. Tsy ekena tokoa ny gaboraraka amin’ny fitrandrahana tsy nahazoana alalana, ny fivarotana sy ny fikirakirana tsy manara-dalàna ireo harem-pirenena. Tsara ny manantona ny tompon’andraikitra raha mila fanazavana bebe kokoa mikasika ny seha-pihariana harena an-kibon’ny tany.

Laisser un commentaire