Varotra : Mbola mitohy ny fivarotana ny litchis eo Europe
Dépêche 17 janvier, 11h, Herinandro voalohany sy faharoa tamin’ity taona 2023 ity dia mbola nisy ireo «conteneurs » nitondra ny vokatra litchis makany Europe. Amin’izao fotoana izao dia mbola mandeha hatrany ny fivarotana ireo vokatra litchis avy aty Madagasikara ao amin’ny tsena Eropeanina. Mbola manana tombony amin’ny kalitao ny avy aty Madagasikara raha mitaha amin’ny an’irteo firenena Afrikanina hafa. Izany no ilaina tokony hampiakarana hatrany izany lentan’ny vokatra izany.
