CEPE 2023: Tonga nanokatra ny laza adina teny amin’ny CEG avaradoa Ramatoa Minisitra
CEPE 2023: Tonga nanokatra ny laza adina teny amin’ny CEG avaradoa Ramatoa Minisitra
Teny amin’ny foibem-panadinana CEG Avaradoha ny Minisitry ny Fanabeazam-pirenena sy ny Fampiofanana teknika Ramatoa SAHONDRARIMALALA Marie Michelle no nanokatra ny laza adina CEPE 2023 omaly 20 Jona.
Raha ny salan’isa voaray dia nitotaly 15081 isa ireo mpiadina niatrika ity fanadinam-panjakana voalohany ity ary 99 amin’ireo no manana tsy fahatomombanana ara-batana. Nentina nanombohana ny tapany maraina tamin’ny fanadinana ny taranja kajy, nanaraka azy tao ny laza olana, ny fahalalana tsotsotra ary ny tapany hariva kosa ny taranja tantara sy jeografia ary ny fanabeazana fampivelarana mahaolo-mendrika.
Nandritra ity fanokafana ny laza adina nataony ity ihany koa no nanaovan-dRamatoa Ministra ny firaririan-tsoa hoan’ireo mpiadina rehetra sy nisaorany ireo mpanabe ary nankaherezana ireo mpiantsehatra rehetra amin’ny fanabeazana. “Mankahery sy mirary fahiombiazana hoan’ireo mpiadina rehetra; mankasitraka ny mpanabe sy ny mpampianatra namolavola sy nanome ny tsara indrindra;mankahery ny ray aman-dreny sy ireo mpiantsehatra rehetra ato amin’ny fanabeazana ; mirary soa sy tanjaka ho an’ireo mpiambina, mpitsara taratasim-panadinana, mpikarakara rehetra. Hotahiana anie isika rehetra” hoy Ramatoa Minisitra.
“Tena mitaintaina tanteraka, toy ny miara-miatrika amin’ilay zaza mihitsy satria io no fanadinam-panjakana voalohany hatrehiny, fa irariana mba hahita fahombiazana daholo ny mpiadina rehetra.” Hoy Ramatoa Saholy renin’ny mpiadina iray.
Ny taranja kajy moa no taranja anisany nampatahotra ny akabeazan’ireo mpiadina raha araky ny nambaran’izy iero hatrany.
Miranto Andrih
