SocialTsidika

Ambohimangakely Tanora 100 no niofana « informatique »

Tontosa soa aman-tsara ny fampiofanana ireo tanora miisa 100 any Ambohimangakely tamin’ny taranja « informatique ». Naharitra telo herinandro ny fampiofanana azy ireo teny anivon’ny Kaominina Ambohimangakely.

« Tena ilainay tanora tokoa indrindra rehefa misehatra ao antin’ny tontolon’ny as any fampiofanana tahaka izao, efa miditra tanteraka amin’ny tontolon’ny hairaha mantsy isika amin’izao ka sarotra ny mitady asa raha tsy mahay “informatique” » hoy i Sarah, tanora iray isan’ny nisitraka ny fampiofanana. « Nomena maimaimpoana ny fampiofanana ireo tanora ka hirariana mba tena hanampy betsaka azy ireo hanatsarana ny hoaviny izany » hoy ny avy eo anivon’ny Kaominina Ambohimangakely. « Mivoaka avy amin’ny tanora ny fandrosoana sy ny fampivoarana ka rehefa ireo no ampy traikefa tsara dia mivoaka ho azy ny fandrosoan’ny firenena » hoy fanehoan-kevitr’i Rija, mpandraharaha iray.

Manana anjara toerana lehibe tokoa eo amin’ny tontolon’ny asa ny resaka « informatique » ka tsara raha mahay azy io avokoa ny tanora rehetra. Rehefa io taranja iray io tokoa no voafehy dia betsaka ny azo hanitarana azy ary efa maro koa azan y mamorona asa amin’izany. 

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire