France : Kaominina maromaro no nanafoana ny hetsika fankalazana ny fetim-pirenena
Kaominina maromaro ao France no nanafoana ny hetsika fankalazana ny fetim-pirenena rahampitso 14 jolay. Antony ny tahotra ny fihoaram-pefy vaovao manoloana ny fahafatesan’i Nahel tao Nanterre izay efa nitarika korontana goavana tao amin’ny firenena.
Isan’ireo toerana tena nanjakan’ny herisetra manoloana izany i Montargis, ao Loiret. Noho izany dia nofoanan’izy ireo ny lanonana tokony hotontosaina androany alina sy ny fanapoahana afomanga. Na izany aza dia hanao fankalazana manokana hanomezam-boninahitra ireo mpitandro ny filaminana sy ny vonjitaitra, mpamono afo sns izy ireo. Ankoatrany ao an-toerana dia nofoanana ihany koa ny fankalazan’ny mpamono afo ao Eure, Saint-Etienne ary tsy hisy afomanga ao Strasbourg.
Raha tsiahivina dia maro ireo kaominina tsy hanapoaka afomanga amin’ity taona ity noho ny toetrandro. Ho solon’izany dia hisy ireo hanao fampisehoana « drônes ».
