France : Lehilahy iray namono sy nihinana ny rainy
Lehilahy iray no nosamborina taorian’ny loza nahatsiravina hita tao tranon-drainy tao Blanc-Mesnil, Seine-Saint-Denis. Rehefa tsy nahare vaovao nandritra ny fotoana naharitra momban’ny dadabeny ny zafikelin’io olona maty io sy ny zanany voalohany dia niantso ny manam-pahefana.
Rehefa tonga tao amin’ny toeram-ponenan’ilay niharam-boina ireto farany dia razana efa simba no novantanin’izy ireo. Fantatra fa ny zanaka lahy faharoan’io olona maty io ihany no namono azy. Rehefa nosamborina io lehilahy io dia nilaza fa notsahohany ny antsy ny rainy ary nakany ampahany nohaniny. Raha ny fanazavana kosa dia tsy tomombana ara-tsaina io lehilahy nahavanon-doza io.
