Royaume-Uni : Tsy hihatrika ny COP27 ny praiminisitra britanika
Nanao fanambrana ny Downing Street fa tsy hanatrika ny COP27 hotontosaina ao Egypte ny 6 hatramin’ny 18 novambra izao ny praiminisitra britanika vaovao Rishi Sunak. Antony ny mbola tsy maintsy hiatrehan’io tompon’andrikitra io raharaha maika toy ny fanomanana ny fanolorana tetibola andrasan’ny maro amin’ny 17 novambra izao hoy ny mpitondra tenin’ny Downing Street.
Minisitra maro hafa kosa no hisolo-tena ny praiminisitra mandritra io hetsika ho an’ny fiovan’ny toetry ny andro io. Anisan’izany ny iraky britanika misahana ny toetr’andro Alok Sharma, izay efa filohan’ny COP26 tao Glasgow ny taona lasa teo.
