ActualitésTsidika

Ambohimanga rova : Zazalahy iray maty noho ny fikitikitihana maro an-davaka

Zazakely manodidina ny 10 taona eo no maty noho ny fikitikitahana maro an-davaka, tao amin’ny fokontany Malaza, kaominina Ambohimanga rova. Araka ny voalazan’ireo manodidina nanatri-maso, nitoratoraka bibilava, izay voalaza hoe maro an-davaka ity zazalahy ity, taorian’izay no nisehoana trangan’aretina, toa ny tazovony ka rehefa nentina teny amin’ny hopitaly dia tsy tana ny ainy.

“Anisan’ny fitaizana tokony hatao amin’ny ankizy, mba hisy hitandremana hisorohana ny loza isan-karazany izany tsy ampoizina tahaka izao, ny fanajana ny tontolo iainana sy ny zava-manan’aina misy eo aminy. Manan-jina avokoa ny biby ary manan-kasina ka tsy tokony ho kitikitihana” hoy I Tsanta, mpianatra mandala ny mahamalagasy.

“Ilaina ny fitandremana amin’ny zavatra rehetra ary tokony harahana maso akaiky indrindra ny ankizy rehefa eny ivelan’ny fonenany. Mila ampianarina ny fahalalam-pomba sy ny fahaiza-miaina ihany koa mba hahafahany mahay miara-miaina amin’ny zava-boahary” hoy I Miora, mponina ao Ambohimanga rova.

Mampidi-doza ny fikitikithana zava-manan’aina. Ny fitandremana azo atao dia ny mamela malalaka ireny biby ireny hiaina amin’ny tontolony. Na ny ntaolo malagasy aza efa nahita zava-doza ny fikitikitihana azy ireny, araka ilay ohabolana hoe “Namono biby tsy nahafaty ka nifoteran’ny rambony”

Manitra Ramanantsoa

Laisser un commentaire