Androm-pirenena ho an’ny faritra : Hahazo ny anjarany koa i Vakinankaratra sy i Ihorombe
Any amin’ny faritra Vakinankaratra sy ihorombe indray no handray ny androm-pirenena ho an’ny faritra amin’ny andiany faha efatra sy faha dimy. Ny 24 kanhatramin’ny 26 novambra izany no hatao ao amin’ny faritra Vakinankaratra raha ny 1 ka hatramin’ny 3 desambra kosa ny any Ihorombe. Fotoana iray hanaovana latabatra boribory handidnihana ny fampandrosoana isam-paritra ny androm-pirenena ho an’ny faritra.
« Hampiroboroboana ny toe-karena mampiavaka ny faritra tsirairay no antony nanaovana ity hetsika ity. Handray anjara amin’izany avokoa ireo karazana seha-pihariana misy eo amin’ny faritra handalovana. Hamafisina ny fiaraha-miasa amin’ny vondron’olona ifotony sy ireo vondrona ifotony itsinjaram-pahefana isan-tsokajiny mba hahafahana mahazo toro maro hampivoarana ny faritra », hoy i Général Richard Rakotonirina, minisitry ny raharaham-bahiny mpisolo toerana.
« Ho an’ny faritra Ihorombe kosa dia fotoana iray ahafahana mampiseho ny tanàna vaovao izay mirefy 13 000 ha miaraka amin’ny zava-maitso. Ny lohahevitra amin’izany dia hoe : Ihorombe, fihaonamben’ny fampandrosoana ho an’ny faritra atsimo. Maro ihany koa ireo orinasa sy sehatra vao hatsangana any an-toerana ka horesahina mandritra ireo andro ireo », hoy hatrany ny fanazavana.
« Mivory foana fa tsy mahita hoe hetsika natao ka naparitaka be. Raha resaka fivoriana dia mazoto mihitsy isika. Tsy tokony hatao ela ihany koa ny na ny faritra sasany fa ilaina izany fandraisana andraikitra izany », hoy i Eric, mpianatra mahakasika ny toe-karena eny Ankatso.
Samy hanana ny fotoanany daholo ny faritra rehetra ary samy hahazo ny sehatra rehetra mety hampandrosoana ny faritra tsirairay fa tsy hitovy. Tafiditra anatin’ny vinan’ny fampandrosoana lovain-jafy izao hetsika izao ka hahafahana mampisitraka izany ho an’ny olona rehetra dia ahazo izany avokoa ny faritra rehetra.
Miora Raharisolo
