Maurice : Mpisava lalana amin’ny ady amin’ny fifohana sigara aty Afrique ny nosy
Maro ny fepetra norasain’ny nosy Maurice manoloana ny ady amin’ny fifohana sigara. Isan’izany ny fampiasa « paquet neutre », ny fandraràna ny fifohana sigara elektronika, ny fivarotana voakatra misy « nicotine » sns. Manoloana izany dia voasokajy ho isany mpisava lalana amin’ny ady amin’ny fifohana sigara aty Afrique ny nosy.
Taorian’ny nandaniany ny lalàna mifehy io zava-mahadomelina io voalohany tao an-toerana tany amin’ny taona 2003 sy ny fankatoavana ny CCLAT (Convention-cadre pour la lutte antitabac) ny OMS dia namoaka fanentanana maro ny nosy Maurice toy ny fandraràna ny fifohana sigara eny amin’ny toerana ho an’ny daholobe na fiara mihidy na latsaky ny 10 metatra ny varavarana na varavaran-kely iray misokatra. Izy ireo ihany koa no firenena voalohany taty Afrique nametraka fampitandremana ara-pahasalamana tamin’ny fonosana sigara tamin’ny 2008.
Entitra kosa ny fanaraha-maso ny fampanarahana ireo fepetra manoloana ny ady amin’ny fifohana sigara ao an-toerana. Manam-pahefana 95 avy tao amin’ny polisy no nofanina manoloana izany tao an-toerana teo anelanelan’ny volana aprily sy may 2023.
