Filoham-pirenena Malagasy: Nihaona tamin’ny solotenan’ny BEI teny amin’ny lapam-panjakana Iavoloha
Tonga nifampidinika tamin’ny Filoham-pirenena teny amin’ny lapam-panjakana Iavoloha ny delegasiona avy amin’ny Banque Européenne d’investissement (BEI) notarihan’ny filoha lefitra Ambroise Fayolle. Ny dinidinika nifanaovana dia niopana tamin’ny fiaraha-miasa eo amin’izy ireo sy ny firenena Malagasy.
Tetikasa lehibe roa no iaraha-miasa sy nifandinihana. Tetikasa voalohany ny fametrahana tambajotra mpamatsy herinaratra izay vinaniana hamatsy herinatra toerana 120 isa amin’ny alalan’ny angovo azo avy amin’ny Masoandro. Ny tetikasa faharoa kosa dia ny fametrahana orinasa hanodina ireo akora fototra toy ny katsaka sy ny vary any Maintirano ary koa orinasa hanodina ireo vokatry ny jono any Vohemar. “ Fiaraha-miasa lehibe no hisy sy atao eo amin’ny BEI sy i Madagasikara. Izao no natao dia ho fampandrosoana ara-toekarena an’i Madagasikara. Ny fiaraha-miasa tahaka izao ihany koa dia manamafy orina ny fiaraha-miasa eo amin’ny roa tonta.” Hoy ny avy amin’ny BEI.
“ Ho fanatrarana ireo tanjona amin’ny fandrosoana lovain-jafy na ny ODD dia fifaliana ho antsika eto Madagasikara ny manatanteraka tetikasa mifandraika amin’izany tanjon’ny fandrosoana lovain-jafy izany toy izao atao izao. Ny fampiasana angovo madio sy azo havaozina ary ny jono tokoa mantsy dia anisany ezaka tratrarina amin’iny ODD iny” Hoy ny avy amin’ny Governemanta Malagasy.
Vita araka izany ny dinidinika ambony latabatra ka miandry ny fanombohan’ny asa ny vahoaka Malagasy. Raha ny hita taratra dia tetikasa mamelo-maso ireo mpamokatra eny ifotony ity kasaina ho tanterahina ity.
Miranto Andrih
