Alasora: Hisy ny hetsika fitiliana ireo karazan’aretina maimaim-poana
Hisy ny hetsika ara-pahasalamana maimaim-poana izay hilitiliana ireo aretina to any aretim-po, diabeta, tosi-dra ary ireo vokatry ny tsy fanjarian-tsakafo. Ny kaominina Alasora, miaraka amin’ireo fikambanana sy vondrona isan-karazany no miara-miasa manolotra izany.
“Ny sabotsy 28 oktobra izao no fotoana hifanomezana eny amin’ny kianja Maitso Alasora. Hanasana sy + Hisy ihany koa ny fizarana menaka sy fangaro enti-misoroka sy hitsaboana aretina ary solon-tsakafo ho an’ny ankizy” hoy ireo tomponandraikitra.
“Maro ireo aretina mety hiseho amin’ny vatan’olombelona iray amin’izao fotoana izao kanefa noho ny fahasahiranana isan-karazany manoloana ny fiainana andavan’andro dia hadinodino izany fikoloana ny fahasalamana izany. Izany indrindra no hanomezana sehatra ny hetsika tahaka izao, ahafahana manampy ny tsirairay hananana fahasalamana” hoy i Mahandry, mpitsabo.
Marihina moa fa ny Groupe JCR, Vaniala ary ny Rotary Club Ivato no miara-manolotra amin’ny kaominina izao hetsika izao. hanomboka amin’ny 09ora maraina moa izany ary tsy hifarana raha tsy amin’ny 01ora tolakandro.
Manitra R.
