ActualitésTsidika

Fandraharahana : Manome hery ny tanora ny fijoroana vavolombelona ataon’ireo efa mpandraharaha

Tsy vitsy ny tanora tena milofo sy miezaka eto amintsika ao anatin’ny tontolon’ny fandraharahana amin’ny famoronana ny orinasany manokana. Tsara ho atao fankan-tahaka tokoa izy ireny ary ho hery hivelaran’ny tanora hafa toa azy.

« Maro ireo olona tafita sy azo alaina tahaka noho ny famoronany ny orinasany manokana izay tokony ho modely ho an’ireo olona hafa ka hampazoto azy hanaraka ny diany ihany koa » hoy i Théophile, mpampianatra eny amin’ny anjerimanontolo. « Ilaina ny fizaràna traik’efa ataon’ireo efa manana izany mba hitaritana ny hafa ho tafita. Ilaina ny toe-tsain’ny mpitarika amin’izay miara-tafita ny rehetra ary handroso ny firenena amin’izay » hoy i Safidy, mpianatra ao amin’ny serasera.

« Betsaka ny olona efa tafita kanefa mikobona ho azy samirery ny fahombiazany hany ka tsy miparitaka ihany koa ny fahombiazana. Izany anefa no tsy mety, fa ilaina ny fizarana ny tsiambaratelon’ny fahombiazana mba hahomby ihany koa ny hafa » hoy i Rindra, mpandraharaha. Mila atao maro tokoa ny fijoroana vavolombelona izay ataon’ireny olona tafita sy nahomby ireny mba handrisiana ny tanora hamorona tetik’asa. Ho hita mandritra ny herinandron’ny mpandraharaha izay hotontosaina any Ambohimangakely ny hatramin’ny 12 novambra izao ny fijoroana vavolombelona ho ataon’ny mpandraharaha maro efa manan-traikefa.

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire