ActualitésTsidika

Ambohitrinimanga Avaradrano : Nahazo biraon’ny Zandarimariam-pirenena vaovao

Notokanana tamin’ny talata ny biraon’ny zandarimariam-pirenena ao Ambohitrinimanga Anosy Avaratra. Mihamafy hatrany ny fiarovana ny vahoaka sy ny fampandriana ny fahalemana mba hisian’ny fandrosoana.

« Ny zava-dehibe dia ny fahaizana miara-miasa sy mifanampy amin’ny fanatanterahana ny asa. Ny hampandroso ny tanàna no tanjona » hoy ny ben’ny tanàna ao Anosy Avaratra, Razafimahefa Luc. « Ny fiaraha-miasa amin’ny vahoaka ihany koa no tena ilainay. Raha misy ny olana dia tsara raha miantso ny mpitandro filaminana avy hatrany. Efa misy ny laharana natokana ho amin’izany.

Tsara ihany koa raha manantona avy hatrany ety an-toerana isika » hoy ny Lehiben’ny Tobi-paritry ny Zandarimaria. Tombony lehibe ho an’ny mponina eny amin’ny amin’ny manodidina ny fisian’ity Tobin’ny Zandary ity. Hinoana fa hihamafy hatrany ny filaminana mba ahafahan’ny mponina mihary am-pilaminana.

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire