ActualitésTsidika

Anosy Avaratra : Tontosa ny fanadinana andrana CEPE

Notontosaina tamin’ny talata ny fanadinana andrana CEPE ho an’ny mpianatra ao amin’ny ZAP Anosy Avaratra. Nizotra tao anaty filaminana hatrany izany.

« Ny anton’ny fanadinana tahaka izao dia mba tsy ho vaovao be intsony ny ankizy rehefa tena hiatrika ilay fanadinana. Fanazarana ihany koa no famerimberenana ny lesona. Hitan’ireo mpianatra kely sahady ny mety ho fizotran’ny fanadinana » hoy ny avy ao amin’ny ZAP. « Tena ilaina tokoa ny fanaovana andrana ny fanadinam-panjakana toy izao. Amin’ny maha zaza azy mantsy dia mety hatahotra izy rehefa amin’ny fanadinana ka hikorotana ny sainy. Izao efa fantany tsara ny mety hitranga rehefa tena fanadinana » hoy i Faly, renim-pianakaviana avy ao Anosy Avaratra.

Hita sahady ny fahavononan’ireo ankizy zandriny indrindra amin’ny kilasy fanadinana. Mila tohana sy tosika avy amin’ny ray aman-dreny ihany koa izy ireo eo am-panomanana izany.

Laisser un commentaire