Ambohimangakely : Ilaina ny fiaraha-mientana hisian’ny fampandrosoana
Tsy voatery hiandry ny tompon’andraikitra vao afaka misitraka fampandrosoana. Maro ireo ezaka azon’ny olom-pirenena atao mba hanatsarana ny faritra na kaominina iray. Miainga amin’ny fandraisana andraikitra amin’ny fanaovana ireo hetsika kely indrindra ao anatin’ny faritra izany, toa ny famafana ny lalàna, ny fanajana ny fanariam-pako sy ny maro hafa, izay miteraka fampandrosoana.
« Adidin’ny olom-pirenena tsirairay no mitondra anjara biriky ao anatin’ny kaominina misy azy ny manao ezaka fampandrosoana. Tsy tokony hiandry mpitarika ao anatin’izany fa miainga amin’ireo adidy atao eny anivon’ny fokontany. Ankoatra izay, ny fiaraha-mientana amin’ny rehetra satria ny fampandrosoana iombonana no tanjona ary tokony samy sarotiny amin’izany » hoy i Rafidy, mpahay fiaraha-monina.
« Ny kaominina no mpitarika ary manentana amin’ny asa fampandrosoana, izy no fitaratra ary mamatsy fampitaovana sy mamaly izay filàna ilain’ny eny amin’ny fokontany. Tsy tokony hadinoina hatrany fa ny fiaraha-mientan’ny rehetra no mampisy ny fandrosoana ary ireo ezaka efa vita dia ilàna fanajana sy fikoloana » hoy i Michel, mpanentana ho amin’ny fampandrosoana ifotony.
Ny tsy fahampian’ny fanentanana eny anivon’ny fokontany no anisan’ny mbola olana mahatonga ny tsy fandraisan’andraikitra eny ifotony. Raha samy mahatsapa tena, samy mandray andraikitra tandrify azy ny olom-pirenena iray, ho tonga ho azy ny fandrosoana.
Manitra Ramanantsoa
