ActualitésTatitra

Afghanistan : Malahelo ny fahalalahana ny mponina

« Lasa fonja i Afghanistan ho anay » hoy i Malahat, Adeeba ary Nargis, tovovavy tsy afaka mandeha any an-tsekoly noho ny fameran’ny Taliban. Raha tsiahivina dia ny alarobia teo no tokony niverina an-tsekoly avokoa ireo tovovavy tao an-toerana saingy nivady tamin’ny teniny ny Taliban izay mitantana an’i Afghanistan amin’izao fotoana.Very ny fahalalahana hoy i Malahat Haidari, tovovavy 11 taona monja. Anisan’ireo naverina nody tao amin’ny fianarany tao Al Fatah, ao Kaboul. Entina toy ny olon-dratsy sy mpandika lalana izahay hoy izy satria ankizivavy.Nanaitra ireo mpandinika maro ihany koa io fanampahan-kevitry ny Taliban io. Manahy ny tsy ahafan’ireo ankizivavy sy tovovavy mpianatry ny kolejy sy ny lisea hianatra intsony toy ny tamin’ny taona 1996 hatramin’ny taona 2001 nitondran’ny Taliban indray izy ireo.

Laisser un commentaire