Actualités

Fisian’ny andro ratsy ato anatin’ny herin’andro

Tafiditra tanteraka ao anatin’ny vanim-potoam-pahavaratra isika amin’izao.Ilaina hatrany ny fiomanana mba hisorohana ny loza. Mila mandray fepetra mifanaraka amin’ny zava-misy isika.Raha ho an’ity herin’andro ity manokana, saika ahitana oram-baratra sy tafio-drivotra manerana ny nosy. Raha ny voalazan’ny mpamantatra ny toetr’andro,dia mety ahiana hitoetra eto amitsika “ilay fito“ na ny “zone de convergence inter-tropicale”. Manampy tosika an-kolaka izany ihany koa ny fisian’ny rivodoza mahery “FARAJI“ izay mivoatra lavitra ny nosintsika.Marihina ihany koa fa nihamidina hatrany ny tsindrin’ny atmosphera amin’ny fari-dranomasina andrefana manomboka any Afrika atsinanana mahazo ny lakan-dranomasin’ny mozambika ary mipaka hatraty Madagasikara. Manoloana izany indrindra, dia tokony ho mailo hatrany isika izay monina amin’ny faritra iva amin’ny fiakaran’ny rano .Ireo mipetraka amin’ny faritra avo ihany koa dia tokony ho mailo amin’ny fihotsahan’ny tany nohon’ny hamandoana be loatra haterak’izao andro ratsy izao.

Fanilo Rarivoarilala

Laisser un commentaire