Smatchin: Institut sy faculté 40 no voafidy handray anjara amin’ny fifaninanana
Lasa izao ny andiany faha 10 amin’ny lalao fifaninanana ataon’ireo sekoly fanofanana ambony eo amin’ny taranja basket-ball na ny Smatchin 2024. Vita tamin’ity herinandro ity ny fifantenanana ireo ekipa isaky ny institut sy ny oniversite handray anjara amin’izany.
Miisa 40 ireo oniversite sy institut handray anjara mandritra ity Smatchin 2024 ity. Misy 40 isa ireo ekipa eo amin’ny sokajy lehilahy ao anatin’izany, raha toa ka 20 isa ny ekipa vehivavy mandritra ny fifaninanana. Anisan’ny nampiavaka ity andiany ity ny fandraisana anjaran’ireo institut vaovao sy avy any amin’ny faritra toa an’ny EMIT avy any Fianarantsoa, ESTI, HEI, INPF, ISIME, ONIFRA.
Hanomboka ny 9 martsa ny Smatchin, ka hatramin’ny 17 martsa 2024. Eny amin’ny kianjan’ny kolontsaina sy ny fanatanjahan-tena Mahamasina no hanatanterahana izany.
