ActualitésTatitra

France : Sarimihetsika nampalaza ny taranja « Parkour » ny « Yamakasi »

Fanatanjahantena mbola vitsy mpahalala ny « Parkour » na ny « art du déplacement ». Anisany nahafantatrana sy nampalaza io taranja io ny sarimihitsika « Yamakasi, Les Samouraïs des temps modernes ». Horonantsary frantsay nivoaka tamin’ny taona 2001. I Ariel Zeitoun kosa no namolavola azy.

Tantarana vondrona mpinamana ny « Yamakasi ». Fito lahy, mpinamana hatramin’ny fahazazana no mpilalao fototra ao amin’ny sarimihetsika : Baseball, Belette, Zicmu, Rocket, Tango ary Sitting Bull. Namorona taranja antsoina hoe « art du déplacement » izy ireo ary mamakivaky loza am-pahasahiana ary mitsambikimbikana amin’ny trano goavana. Indray andro nefa nisy zazalahy naniry nanao toa azy ireo saingy nianjera ka naratra mafy. Nila fitsaboana tamin’ny sandany 400 000 francs io zaza io saingy tsy nanana izany ny reniny ka namaky tranon’ny mpitsabo mpandidy ireo « Yamakasi » nanangonana ny vola nanampiana ilay renim-pianakaviana.

Laisser un commentaire