ActualitésTsidika

Alasora : Miandry ny famahana ny olan’ny fitaterana ireo mponina

Nisesisesy tato ho ato ny fitarainana manoloana ny olan’ny fitaterana teny amin’ireo kaominina maromaro eto amin’ny distrikan’ Avaradrano. Hatramin’izao, mbola mitohy hatrany ny fitarainana ataon’ireo mpandeha ny fiara fitateram-bahoaka ao Alasora mahakasika ny hafitsoky ny fiara mpitatitra isan-kariva.

« Ny fanaon’ireo taxibe ireo, dia tonga eto Ambohijatovo mihitsy ireo saingy tsy mitondra olona fa mandala fotsiny, ny olona anefa tena milahatra be. Tsy vao izao izahay no sendran’izao, tratra maizina ety, koa mangataka mba tomponandraikitra mba hanara-maso fa tena mijaly ny mpanjifa » hoy i Tiana, mponina ao Ambodivondava.

« Ny olan’ny taxibe dia ny fisian’ny fitohanana, lasa kamo ireo taxibe miakatra aty Ambohijatovo satria tena mitohana ny fiara manomboka any Ambomiandra indrindra amin’izao fotoana fianaran’ny mpianatra izao » hoy i Alain, mpamily.

Raha tsiahivina, efa misy ny tetikasa izay karakarain’ny kaominina miaraka amin’ireo tomponandraikitra misahana ny fitaterana amin’ny fampidirana zotra vaovao entina amahana ny olan’ny fitaterana izao. Mety rahovina tokoa no hisitraka izay tetikasa izay ireo mponina, raha efa nandritra ny fotoana maro no nijaly tamin’ny resaka fitaterana ?

Manitra Ramanantsoa

Laisser un commentaire