Ambohimangakely : Tontosa ny alahady teo ny lalao famaranana ny ady baolina kitra tao amin’ny kaominina
Ny alahady lasa teo no nanatontosana ny lalao famaranana ny ady baolina kitra izay nifanandrinan’ny FC Amiral Antanambao sy ny FC Dinamic Mahatsara, tao amin’ny fokontany Tsarahasina ao amin’ny kaominina Ambohimangakely. Tonga nanotrona sy nanolotra ny loka ho an’ny mpadresy tamin’izany ny ben’ny tanàna ao an-toerana.
« Nivoaka ho mpandresy nandritra ity lalao ity tamin’ ny isa 2 no 0 ny FC Amiral avy ao Antanambao ka notoloran’ny ben’ny tanàna ny omby matavy iray. Ondry kosa no loka azon’ny an’ny ekipa faharoa. Talohan’izao lalao izao moa, nisy ny lalao nandraisan’ny vehivavy anjara izany nentina nanokafana ity famaranana ity ary samy nahazo lela-vola avokoa tamin’izany na ny mpandresy na ny resy » hoy ireo mpikarakara.
« Nahafinaritra tokoa ny lalao, ary tena niavaka tety an-toerana. Tonga maro ireo olona, niara-nijery sy nanohana ny ekipa isan-tsokajiny avy. Isaorana ireo tomponandraikitra amin’ny fikarakarana ary hirariana hitohy hatrany ny fanohanana ity taranja ity mba hampiroborobo izany hatrany » hoy i Tefy, mpanohana avy ao Antanambao.
Anisan’ny taranja mampiala voly ary mampiray ireo isam-pokontany ny taranja baolina kitra. Tokony jerena ary omena sehatra sy fanohanana hatrany araka izany ity taranja ity mba hampandroso sy hampiroboro izany, indrindra ny eo amin’ny fanohanana ara-materialy sy ny ara-pitaovana.
Manitra Ramanantsoa
