ActualitésTsidika

RN7 : Efa niverina ny fifamoivoizana ao amin’ny PK 732+200 Ilakaka

Efa nisokatra ho an’ireo fiara rehetra ny fivilianan-dalana, izay mirefy 10 km amin’ny lalam-pirenena fahafito. Eo amin’ny PK 732+200 anelanelan’Ihosy sy Sakaraha, izay tapaka noho ny fiakaran’ny rano tamin’ny fandalovan’ny rivo-doza Emnati, ity fivilianana ity.

« Efa niverina amin’ny laoniny ny fifamoivoizana ao amin’ny RN7 ankehitriny. Ialana tsiny noho ny fanelingelenana noho ny fanamboarana » hoy ny avy ao amin’ny Minisiteran’ny Asa Vaventy. « Tena nanimba ny lalana ny fiakaran’ny rano nandritra ireny andro ratsy ireny. Isaorana ny tompon’andraikitra nandray an-tanana haingana ny fanarenana ny lalana » hoy i Haja, mpamily fiarakodia.

Antoky ny fampandrosoana tokoa ny fahatsaran’ny lalana. Mila fikojakojana avy amin’ny mpampiasa lalana ihany koa izy ireny mba hateza tsara. Tompon’andraikitra amin’ny fampandrosoana ny rehetra.

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire