ActualitésSportTsidika

Ankadikely Ilafy: Zanaky ny kaominina I Tendry mpilalao kitra nandritra ny lalaon’ny nosy 2023

Nisongadina i Tendry, izay nampidi-baolina roa (2) tamin’ny lalao manasa-dalan’ny baolina kitra nandritra ny lalaon’ny nosy 2023, ka nahatafatra an’i Madagasikara tamin’ny lalao famaranana. Zanaky ny kaominina Ankedikely Ilafy i Tendry, ary mirehareha ireo mponina amin’ny fananana azy, araka ny voalaza.

 “Anisan’ny nanohana hatramin’ny farany ny atleta rehetra nandray anjara tamin’ny lalaon’ny 2023 ny kaominina Ankadikely Ilafy. Singanina manokana tao anatin’izany i Tendry izay mpilalao baolina kitra ary zanaky ny kaominina. Mirehareha isika manana azy ary tsy mitsanga-menatra satria anisan’ny nahatongavana tamin’ny lalao famaranana ny ezaka vitany” hoy ireo tomponandraikitra avy amin’ny kaominina.

“Manana kintan’ny baolina kitra ny kaominina ary mahafinaritra foana ny mahita ireo tanora avy eto an-toerana mandray anjara amin’ny fifaninana avo lenta tahaka ireny lalaon’ny nosy ireny. Ireny no anisan’ny mamporisika ny tanora zandriny sy ny katita hanao ny ezaka sy hanome ny tsara ao aminy mba hahatongavana amin’ny sehatra ambony” hoy i Toky, tomponandraikitra misahana klioba iray.

Zava-dehibe ny fanohanana ny tanora eo amin’ny lafin’ny fanatanjahan-tena. Maro amin’ireo kaominina ato anatin’ny distrika Avaradrano no efa manao ezaka rehetra mba hampisongadina sy hanomezana lanja izany.

Manitra R.

Laisser un commentaire