ActualitésTsidika

Ambohitrarahaba : Feno fako sy maloto manodidina ny fasana

Nanao antso avo tamin’ny tompon’andraikitry ny tanànan’Ambohitrarahaba Avaradrano ny tompom-pasana iray fa feno fako sy maloto manodidina ny fasan-drazany izay tsy fanisiana hasina ireo razana no dikan’izany. Etsy an-kilany efa misy ihany ny fanadiovana ataon’ny Fokontany saingy tsy voakasika mihitsy ny fanadiovana ny manodidina ity fasana ity hany ka manao maloto eo ihany ny olona. »Tena tsy rariny ity maloto sy fako eto amin’ny fasana vao nandevenana vao haingana ity, ny maty efa nitomaniana ny fasana nilevenany anefa ity tsy misy manisy hajany ka mandratra fo » hoy ireo tompom-pasana. « Ny velona aza tsy voahaja, maika fa ny maty. Tena mila fanovana mihitsy ny toe-tsaina eto amintsiak satria tsy handroso mihitsy isika raha toy izao foana » hoy i Yves, mponina ao Ambohitrarahaba. « Tsy ampy ny fanabeazana, eny fa na ny fanabeazana mikasika ny hamonjena toeram-pivoahana aza satria mbola betsaka ny tsy mamonjy azy ireny fa manao ny malotony eny andalambe » hoy i Faly, mpampianatra ao amin’ny sekoly tsy miankina ao Ambohitrarahaba.An’iza tokoa ny andraikitra ? Ny tompom-pasana izay tokony hanao ny fanadiovana fa tsy hiandry ny tompon’andraikitra sa ny mpitondra izay tokony hifehy ny vahoakany hanaja ny tontolo iainany ?

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire