France : Tovovavy 12 taona namono tena
Mbola mpianatra teny amin’ny kolejy i Chanel ary vao 12 taona monja ny tenany. Taona fahafito tao amin’ny kolejy Pierre Cuallaci izy. Namono tena ny 30 septambra teo tao an-tranony tao Frévent izy raha ny fanazavana. Niharan’ny herisetra tao am-pianarana (harcèlement scolaire) izy hoy ny fianakaviany, antony io famonoan-tenany io. Nitaky ny fifampiresahana izay nahazo an’i Chanel tao amin’ny sekoly kosa izy ireo androany.
