Barea CHAN : Nifarana omaly ny fanazaran-tena tany Tunisie hanomanana ny CHAN
Dépêche 10 janvier, 11h30, Nifarana tamin’ny lalao ara-pirahalahiana izay nifanandrinana tamin’ny Mena du Niger ny fanazaran-tena izay nataon’ny BAREA A’. Izany dia natao mba hiomanana sahady amin’ny CHAN 2023 izay hatao manomboka ny zoma 13 janoary izao. Niisa 4 ireo lalao natao hanomanana izany CHAN izany ka ny iray tamin’ireo ihany no nahitana faharesena. Mbola mila miasa mafy anefa raha te hanatratra tanjona tsara. Marihina moa fa andeha mivantana amin’ny TVM avokoa ny lalao rehetra mandritra ny CHAN any Algérie ka ny 15 janoary izao ny Barea no hiakatra kianja voalohany.
