Dépêches

Ambohibary : Fampiasana ny lalampirenena

Ao anatin’ny fararano tokoa isika, miakatra ny vary, ary mila hatao azon’andro. Na dia izany aza nefa dia voararan’ny lalàna ary mahavoasazy ny manaha vary eny amin’ny lalam-pirenena sy eny amin’ny sisin-dalana, araka ny nambaran’ny Ministeran’ny Asa vaventy mba ho fiarovana ny lalam-pirenena sy ho fanamafisana ny filaminana ary ihany koa mba hisorohana ny loza mety hitranga na ho an’ny mpampiasa lalana na ho an’ny olona mipetraka manamorona ny lalam-pirenena.

Laisser un commentaire