ActualitésTsidika

Fanehoana ny kanto : Niteraka fahatsiarovana ho an’i Pierrot Men tamin’ny fahazazany ny fiaran-dalamby

Mampatsiahy an’i Pierrot Men ireo fahatsiarovana rehetra tamin’ny fahazazany ny fahitany ny sarin’ireto fiaran-dalamby avy any Suisse sy Lamasinina avy any Madagasikara ireto. Nasehoany tamin’ny asan-tànana miendrika hosi-doko sy raki-tsary notehiriziny izany. Vokatr’izany, voatahiry ary miraikitra ho fahatsiarovana ao amin’ny « Musée de la photographie » izany ary ho atao fampirantiana ny asabotsy ho avy izao etsy Andohalo.Horaisin’ny tranom-bakoka fitahirizan-tsary na « Musée de la photographie » ny fampirantiana izay nataon’i Pierrot Men ny asabotsy ho avy izao. Fampirantiana izay mitondra ny lohateny hoe « Lamasinina avy any Suisse… Lamasinina avy any Madagasikara ». Nambarany fa nampiaina sary betsaka tsy mety maty ny raki-tsary izay nalainy tao amin’ny fakan-tsariny ka antony nananany ireto tahirin-tsary ireto. Vavolombelona tamin’ny fahatongavan’ny lamasinina vaovao natolotry ny ambasady Suisse ihany koa izy raha ny filazany ary nahita mihitsy ny fandraisana an-tànana natao tamin’ireo. »Ity fampirantiana ity dia mitantarany fiainan’ny lamasinina teo amin’ny tsipika Fianarantsoa-Côte Est, ilay faritra nahalehibe ahy  » hoy ny fanazavan’i Pierrot Men.  » Rehefa nianatra tany Fianarantsoa aho dia matetika no nandeha lamasinina tamin’izany fotoana izany. Nanao sary an-tsary ny fakan-tsary tsy misy fetra aho. Ary na dia androany aza, mbola mitohy ny zavatra niainako » hoy hatrany izy. Arak’izany, anisan’ny tena nampisongadina sy nampiavaka ny fiainako teo aloha tamin’ny fahatanorany, ny fivezivezen’ireto fiaran-dalamby maro ireto, izay mpitatitra avy matetika.Tsara ary tokony hananan’ny tanora rehetra izany fahaizana mankafy ny natiora sy ny tontolo manodidina izany. Kanefa raha ny tsapa ankehitriny, lasa mirona loatra any amin’ny fandrosoan’ny tekinolojia ny tanora ka tsy manam-potoana mba handinihana sy hankafizana ny zava-boary manodidina intsony. Noho izany, mbola azon’ireo tanora sasany toy an’i Pierrot Men, atao ve ny fandinihana ny tontolo manodidina sy ny kanto manoloana izao vanim-potoana iainantsika izao ? Mety hitondra voka-tsoa ara-tsaina ho an’izy ireo ve izany ka ahaizany mandinika sy mandalina ny zava-miseho eo anoloany ?

Miangaly Rasoamihajamanana

Laisser un commentaire