Rahoviana vao ho foana eto amintsika ny kolikoly ?
Mbola anatin’ny ady amin’ny kolikoly isika eto Madagasikara amin’izao. Efa misy ny hery velona mifototra manokana amin’izay ady izay kanefa mbola mahazo laka hatrany ny kolikoly, inona no antony ? Efa betsaka ny paik’ady hamongorana ny ratsy saingy toa zary efa fahazaran’ny olona sasany ny resaka kolikoly rehefa tojo tsy fanarahan-dalàna. »Mety misy ny tsindry mahazo ny Bianco na ny birao mahaleo tena miady amin’ny kolikoly eo am-panatanterahana ny asany izay tsindry mety ho avy amin’ny mpitondra fanjakana sy ireo manodidina azy izany fa mety ho avy amin’ny fanoherana ihany koa » hoy i Alain mpandinika fiarna-monina. « Io kolikoly io no tena sakana voalohany tsy mampandroso antsika eto Madagasikara satria izay manam-bola sy manam-bava ihany izany no tompon’ny fahamarinana hany ka manjaka sy mahazo vahana ny ratsy ary manohy ny asa ratsiny hatrany » hoy i Laurent, mpahay lalàna. »Efa nametraka paik’ady vaovao izahay ato rafitra mahaleo tena miady amin’ny kolikoly ka tsy maintsy tratrarina ambodiomby mba tsy ho afa-maina intsony ireo mpanao ratsy rehefa entina eny amin’ny fitsarana » hoy ny avy ao amin’ny Bianco. Matetika manao ny asany tsara ny Bianco ka mitondra ny raharaha eo amin’ny fitsarana fa aorian’io indray no miforona ny kolikoly manaraka ka zary no niasa maina izy ireo. Ny olom-pirenena rehetra anefa dia afaka manao Bianco mandehandeha avokoa ka manohitra ny tsy rariny sy ny kolikoly. Inona no tena mahabetsaka ny kolikoly eto amintsika ?
Nicole Rafalimananjara
