ActualitésTsidika

Anjeva: Lehilahy iray nanolana vehivavy voasambotra teo ampanaovana famadihana

 Lehilahy iray no voambotra teo ampamonjena famadihana, tao amin’ny fokontany Imaola, kaominina Anjeva gara. Araka ny voalaza, nanolana vehivavy iray ity lehilahy ka namoahana didy fisamborana sy fikarohana ka izao hita namonjy famadihana izao no nahavoasambotra azy.

“Ny 14 Janoary 2023 no namoahan’ny Fitsarana taratasy fikarohana sy fisamborana ny lehilahy iray voarohirohy no nanolana vehivavy iray tao Imaola,  ny 21 desambra 2022. Ny sabotsy teo no tsikaritry ilay vehivavy niharan’ny fanolanana tamin’izany fotoana izany namonjy famadihana teny an-toerana ka niantsony zandary” hoy ireo zandary avy ao amin’ny poste avancé Anjeva Gara.

“Hisaorana ny zandary avy eto an-toerana fa anisan’ny mamaly antso hatrany rehefa ilain’ny mponina ary tena manatanteraka ny asany araka ny tokony ho izy. Hirariana hitohy hatrany izany ezaka izany ho famongorana ny mpanao ratsy izay manome endrika ratsy ny tanàna” hoy i Harilanto, mponina ao Anjeva.

Anisan’ny ezaka ataon’ny mpitandro filaminana ny famaliana ny antso ataon’ny mponina manoloana ny fanararaotan’ireo mpanao ratsy. Izy ireo ihany koa dia manentana ny mponina hiara-hientana hatrany ary sahy hitoroka sy handray andraikitra raha misy ny tranga mampiahiahy eny amin’ny fiaraha-monina eny.

Manitra R.

Laisser un commentaire