Ankadikely Ilafy : Mitohy ny fanarenana ny lalana simba
Mitohy hatrany ny fanarenana sy fanaraha-maso ireo làlana rarivato, izay hita fa misy fahasimbana, ao amin’ny Kaominina Ankadikely Ilafy. Izany no natao ho fitsinjovana ireo mpampiasa ny lalana sy hisorohana ny mety ho fiatraikany amin’ny fiainan’ny mponina. « Rehefa manao zavatra dia tokony ho kendrena ho mafy, mba hialana amin’ny fanamafisana isaky ny mihetsika, fa tsy sanatria vonjy poritra ihany » hoy i Hery, monina ao Ankadikely.
« Nasiam-panamboarana izao ity làlana rarivato mampitohy sy mampifandray an’Ilafy amin’ireo Fokontany hafa ato anatin’ny kaominina ity mba tsy hampitaraina ireo mpampiasa lalana, sy mba ahafahan’ny mponina mivelona ara-dalàna » hoy ny ben’ny tanàna, Rajaonah Rija. « Isika vahoaka ihany koa anefa dia tokony hanaja hatrany sy ho sarotiny amin’ireny fotodrafitrasa ireny, satria fananana iombonana izy ireny » hoy i Lova, mpampianatra eny amin’ny lycée.
Ilaina tokoa ny fikojakojana ny lalana, kanefa mila dieny vao hamboarina izy dia kojakojaina mba haharitra. Mitondra fampandrosoana tokoa mantsy ny lalana ka tsy tokony ho atao ambanin-javatra.
Nicole Rafalimananjara
